ATY AMINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATY AMINAO…
Aty aminao no misy ny foko!
Aty aminao ‘lay fitia tsy miloko!
Ilay nandrandraiko hanohana ahy,
hatrany amin’ny faran’ny atim-panahy.

Aty aminao ‘lay fanalahidy,
hahafahako mandranto ‘lay fitia lafovidy,
mamatotra mafy ny atim-panahiko.
Raha tsy eo ianao toa tsy ho sahiko!

Aty aminao ‘lay fanantenana mbola handrandraiko!
Aty aminao ilay hafanana niandrasan’ny aiko!
Ka banga ny foko, raha tsy ho eo anilanao,
na dia ny aiko aza hafoiko, raha toa sitrakao.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
523 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302