AZA ESOINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA ESOINA…
Aza esoina akory
na latsaina avy
ny foko mba mitepo,
f’indrao dia zary sento
ny ranomaso halatsany.

Aza esoina akory
fa aleo mba haneho
ny kanto indrindra ao aminy
‘ty foko tia mivetso,
ny ferin’ny tomaniny.

Sanatriaviko ry raozy
‘lay voninkazo tsara voatra,
izay nanova ny omaliko,
Ka nahafahako nitroatra
nandresy ny tomaniko.
Sanatriaviko ny haningotra,
ny fonao ‘zay misaringotra,
amin-tehezako malefaka!

Aza esoina re
‘ty saiko toa mijaly
ilavitra anao.
Mba aoka e! Aza esoina
‘ty vavako ‘zay moana,
tsy mahateny akory
hoe:” tiako raha ianao”.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
388 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215