AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA HITAKO… AZA MAHITA AHY…
Ireny latsalatsa teny naraham-bava latsaka,
no solika nandrehitra ny fankahalana taminy.
Ny jojon-dranomasony niary vara-datsaka,
no tafio-drivotra nandrodana ny akaniny.

‘Lay hany noheveriny ho afo ahafaha-mamindro,
no orambe nivatra nandena ny tan-kodiny.
Ary koa ny tiany ‘zay maminy no indro,
nandrehitra tsy niantra ity mba hoe safidiny.

Tiany ianao tsy lavina tena diso tiany,
kanefa ianao malalany no ninday ‘ty tsiny,
hanakanana ny fony tsy hitia intsony.
Fa haniry tsy hovolena, ao ny lonilony.

Aza hitako, aza mahita ahy fa izy hilavo lefona,
hamoy fo mangina ka tsy te hitia intsony.
Dia hikiry mafy sy hiezaka ny handevona,
‘lay hany pitik’afo nanazava ny aty fony.

Aza hitako, aza mahita ahy hoe: “Tsy ho tantiny ny fiainana”,
ka izy hamono indray ny eritreri-tsy hainy.
Ka taoka sy rongony no injay hampitoniany ny fanaintainana,
‘zay zary toa tsiaro nihiboka ho tahirin-tsainy.

Aza hitako, aza mahita ahy ‘lay izy hamoy fo,
hanantona ny tenany an-tady mahazaka.
Satria raha ny fiheverany azy dia ny aminareo roa
mihitsy ilay fitiavana no toa tsy lalim-paka.

Aza hitako, tena aza mahita ahy hoe ho tapitra ny ainy,
ianao ve tsy hitomany na indray mitete?
Kanefa fahavelony tsy nahay nihaino ny teniteny maminy,
fa izy an-drangolahy ity vao hoe: “Indrisy tiako ihany e!”
RRAG
26 Mey 2020
“Moramanga”
--------
Rohy:
250 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206