AZA LATSAINA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA LATSAINA…!
Aza latsaina amin’ny foko voaràtra aho.
Na koa hoe esoina amin’ny hikan-talaho!
Raha diso tia an’ilay nantenaiko,
ka voatsindrona hatramin’ny atin’ny saiko!

Aza halavirina aho r’ilay nofinidiko.
Raiso ry tiako fa ianao no safidiko.
Tokana am-poko tsy maty vonoina,
ny fitiavako anao mbola hananako finoana!

Aza latsaina amin’ny fery zakaiko aho.
Raha sendra tomany ka manina anao!
Fa tsy satriko koa ve hiadana saina,
toa anao io ka tsy mba mitaraina?
RRAG
26 Aogositra 2019
--------
Rohy:
348 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173