AZA MANGINA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MANGINA… (SAFIDY: 2012)
Notinerena tsy hiteny, novozonana hangina.
Tapena-maso tsy hijery, ny tsikitsikin’olon-tiana.
Dia aza mangina! Sokafy ny vava,
aleo ny am-po, mba hiezaka ny hilaza,
‘zay tiany hambara. Fa mba henoy tsara,
‘ty fibadan-dela, manahy ny hoterena.

Aza mangina, anoloan’irony fery!
Aza variana, ny miaina mitsianjery,
fiainan-tsy ho hita, nofinofy
am-paradisa, dia varia-mitositosy.
Ka ny efa mainty ve ho fotsy?

Aza mangina, raha tsy mbola hoe tontosa,
‘lay voadin’ny tiana, ny hanala irony trosa!
Aza mangina, raha tsy efa injay tanteraka,
na dia misy ny ahiana, na koa mety hoe handreraka.
Aza hatsahatra, ny adiady izay mavesatra!

Aza miandry, olon-kafa mety hanafaka.
Fa tsy ny sandry, no ampinga atao ho sakana,
tsy ahafahan-kery mamindra, entina mamerina,
ireo kasa tsara rindra, aim-panahy mampivelona!

Ka aza mangina izany instony, fa mba mitenena.
Aleo ny tiana, no hiady ho an’ny tena,
handefy iretsy nenina, hanataka irony zaitra,
tsy tian’ny saina hatamberina! Fa zogam-po tsy laitra.
RRAG
27 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
415 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0245