AZA TIAVINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA TIAVINA…
Voro-damba rovidrovitra,
feno zaitra efa drodroka,
no fitafy zary an-koditro,
tinapa-tady no hany rojoko.

Haofotsy miparitaka,
volon-doha misavoritaka,
araham-baoty tatatataka,
sy fofona mampihatakataka!

Adala aho! Nokapohin’ny fiainana,
ka voadona ny fisainana,
‘lay hany afaka nandinika,
na koa mba hoe nibitsibitsika!

Aza tiavina aho! Tsy maninona,
Ny lasko aza, ataonao inona?
Ny foko koa ve moa afaka hitia,
na dia fihatsarambelatsihy?

Aza tiavina e! Tsy asiako tsiny,
fa ahy aloha ny ady ankehitriny,
dia zinakaiko ho ahy irery,
na tsy hisy hanampy, fa samy hijery.
RRAG
20 Mey 2020
“Moramanga”
--------
Rohy:
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168