AZA TSINY INDRINDRA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA TSINY INDRINDRA!
Aza tsiny indrindra, raha toa ka nahateny,
tamim-pahatezerana, teny izay nandràtra.
Ifonako ihany koa, raha toa tsy nahajery,
anao ‘lay nitomany, ka dia namihin-tratra.

Diso akia malala a! Ka ‘ty ny fo mivalo,
mifona fa tsy tandro, ny fihetsika natao.
Fitiavako ialahy ka, tsy tiako ho fahavalo,
isan’ny hankahala, ahy koa izao!

Aza tsiny akia a! Diso ka mifona,
sady tsy nahafafa, ny ranomaso latsaka.
Sinaingy ny ato am-poko, ihany koa voadona,
ka nihevitra fa nety, ilay somary niataka!

Mainka zary faka, nampihombo fahatezerana,
tao am-ponao tia, ny fihetsika natao!
Lalam-pitsapana ireny, mety hoe mbola hiverenana,
fa aza atao akory, hampiady ahy sy ianao!

Aza tsiny indrindra, raha nisy hoe nahatezitra,
fa tsy hoe niniana, ka handràtrana anao.
Ekeko e! Fihetsika sy teny tsy voahevitra,
fa tsy natao kosa hoe, hampitomaniana anao!
RRAG
25 Febroary 2020
--------
Rohy:
384 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177