AZO RAISINA FA...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZO RAISINA FA...!
Tia hono ianao, omeo ny porofo!
Fa raha izaho, akory tsy sotro,
ka mora bataina, sy ho mora zaka!
Tsarovy etoana, irony efa lasa!

Tia ve dia nangarika, niavom-piteny?
Nandongilongy, be koa tamin'ireny!
Mba nitsikiana, dia nanifi-doha...
Loza tokoa raha, toy izany ny am-po!

Aleo ary ekena, na hoe mody atao...
Fa tena tia tokoa, raha ianao!
Toa am-bava ihany, ny fitia no mandrobona,
Eny! Azo raisina, fa toa tsy mitombina.
RRAG
09 Mey 2021
--------
Lien:
206 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217