BANGO TOKANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BANGO TOKANA…
Taiza tamin’ireny, teninao ireny,
no hoe tanterakao?
Firy tamin’ireny tokinao ireny,
no mba notananao?

Vola firifiry, tamin’ny azonao,
no nenti-nanasoa?
Hatraiza tamin’ny ezaka, izay vitanao,
no tena voka-po?

Mangetaheta mafy ny fahavononanao,
ny firenena mamy!
Mitaky fahazotoana avy any am-ponao,
‘reo Gasy mitomany.

Mangata-balin-teny, tsy misy laingalainga,
ihany koa ny tany.
Manery anao hiroso, hamadika ireo bainga,
ka hanafaka ny jaly.

Ataovy bango tokana, tsy asiana fononteny,
ny fahavononanao.
Asio topimaso, kely mba mijery,
ireto vahoakanao!

Satria ianao izao, no mpitondranay,
ka mijoroa hatrany!
Aiza ve dia hoe: “Hahantra mandrakizay”?
Nefa anie jereo ny harenan’ity tany!

Raha azonao terena hamerina ny laniny,
ireo nangala-pihinana.
Dia avy dia tereo! Faizo avy hatrany!
Hampinano izay tsy fihinana!

Gadrao dia eo asaivo, mandoa izay nohaniny,
hatramin’ny taranany.
Alaivo avokoa, ny rehetra eo an-tanany,
hatramin’ny fananany!
RRAG
Ny taona 2000
--------
Rohy:
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318