BITSIKA FITIA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BITSIKA FITIA…!
Mba manontany anao aho,
ry foko raha mba mety.
Moa ve ‘reo ràtranao,
hisinda vetivety?

Toa maro loatra mantsy,
‘ty fery entinao.
Nefa mbola miantsampy,
any aminy ianao!

Tsy ampy anao ny fery,
nentiny ho anao,
no mbola teritery,
no ‘ndeha iainanao?

Mba manontany anao aho,
ry foko tena tia.
Moa ve ao aminao,
ny bitsika fitia?

Kanefa izato ianao,
manaiky hampijaliany.
Avelany hitalaho,
nefa lazainy tiany.
RRAG
26 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
549 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223