“BONNE NUIT”… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“BONNE NUIT”…Ali-mamanala, mangina sady maizina.
Tsy ho folaka ihany ve, ‘ty torimaso rehefa faizina?
Ny faniriana dia ny hitafa amin’ny fo, mandrakizay doria.
Misy fetrany ihany anefa ka, ‘ndeha atao hoe: “Bonne nuit”!
Alina mangina mitondra nofy lalina.
Ny tahotra manjaka, ny tena koa toa malina.
Ny faniriana anefa dia, ho tody eny aminao.
Veloma “bonne nuit” no ‘ndeha atao izao!
Mivadika ny alina, mivadika hatsiaka.
Taitra ny tena, satria mangatsiaka.
Dia mandray finday, manoratra indray:
Veloma “bonne nuit”, fa tsy mandrakizay!
Tonga ny maraina, mifanena isika.
Ny hariva toa malaina, ny hifandao amin’ny hatsiaka.
Dia mifamihina mafy, satria tsy mahasaraka.
Veloma “bonne nuit”, hoy ‘lay fo tsy maintsy hisaraka!
RRAG
Alakamisy 14 Nôvambra 2013
--------
Rohy: