DATY SAROBIDY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DATY SAROBIDY…
Andro sarobidy tsy maty am-pon’i Neny ‘lay nahaterahanao!
Nahazo zazakely, tiana sy lalaina, kanto toy izao!
Iraika amby telopolo martsa, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo!
Toa fahasoavan-tsy voarefy, hoe am-polo, aman-jato! Eny an’arivo!

Fotoana tsy voafafan’ny ankaso nisetrasetra iny datin’andro iny!
Nandraisam-pahasoavana, batemy sy tso-drano tena sarobidy!
Enina amby roapolo jolay, roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo!
Teo no nosoritina, niezaha-nofaritina, ny tena hahavon’ny ivo!

Daty namela holatra mbola re marary fa tsy mety sitrana,
ilay datim-pahatsiarovana ny nahalavoan’ny ainao vizambizana!
Efatra nôvambra, efatra amby sivifolo sy sivinjato sy arivo!
Rava teo daholo, ny vina nokinendry! Ary teo koa, no tinapaka ‘lay jiro!

Mandria am-piadanana ry aina sombin’ny aina, Antsa nolalaina!
Tsiory ianao nirina, toavina sy tiana, ka sitraky ny saina!
Izahay tsy nanadino, mbola tsy manadino ary tsy hanadino!
Tsy foinay ianao, ka mbola hihaona isika! Ny fonay dia mino!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205