DIA HO AN’ILAY MALALA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA HO AN’ILAY MALALA…
Misy tampina ny lavaka, fitilitily ny endrikao.
Mbola sarona ny tatatra, mety hamingana anao.
Fa ny voa nafafy kosa, toa vetivety dia nitsiry.
Ny ahi-dratsy teo akaikiny, indreo nandrombina naniry.

Toy izany koa ny antsika, ny fitia notsinjaraina.
Mety hisy ao hatsiaka, iorenam-po ‘lay mitaraina.
Mety hisy hafanana, tsy ho zakan’ny hafaliana.
Hisy aza fo hikalo, mety hitondra vinavina!

Ka hivetsovetso indray, tiako ianao ka tiako
Na dia afo mahamay, tsy maintsy hihafiako.
Fa ny tanjoko anio, dia ny hiantso anao malala.
Satriko io, tsy mba hisy salasala!

Raha natorako ny nofiko, hiantsampy aminao.
Dia ho mafy ny tokiko, rakitra diary vao.
Misy lohateny tokana, dia ho an’ilay malala.
Ka na hisy aza sompatra, ny tahiry tsy hamafàna.
RRAG
12 Janoary 2013
--------
Rohy:
267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0967