DIA HOE… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA HOE…
Anareo ny basy, ny vola sy harena!
Anareo ambongadiny ny firenena!
Anareo ny lalàna, ka ‘zay tiana hofaizina!
Anareo hatramin’ny tranomaizina!

Anareo daholo izay tiatianareo!
Hatramin’ny lanitra aza hoe anareo o?
Dia tsy menatra intsony ny tsindrio fa lavo,
satria anareo ny fahefana avo!

Ny anay izany inona e?
Ireny moa izao, novidianay ohatrinona?
Fa mbola azo alaina am-pelantananay!
Hindrana fotsiny tokoa moa ny anay!

Dia hoe anareo koa ve ny maha ‘zahay anay?
Dia hoe anareo ny fahafahanay?
Eny hatramin’ny aina mbamin’ny hery mitana,
novidianareo tamin-danja mizana!
RRAG
18 Janoary 2021
--------
Rohy:
629 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021