DIA IZAY TOKOA VE...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ilay mora miovaova fo no nanoratako ity! Mitandrema ihany fa iray no tena tia!

DIA IZAY TOKOA VE...?
Zendana aho nahare, fa hay ianao 'lay tiako,
sarisariny ihany, fa manan-tiana hafa.
Nivarahontsana aho, hontsa ery ny foko,
raha toa ka ny anarako, no efa toa voafafa.

Dia sento sisa ny ahy, no hampitoniako fo!
Sento sisa angamba, no hitiavako anao.
Fanina aho, marary hatramin'ny loha,
toa tsy mampino ahy, fa ianao nandao.

Niezaka aho nijery, nikiry ny hahalala,
hoe izy mihitsy aza, ilay nahasolo ahy?
Namonoana ny fisiako, tsy niantsoina ahy malala,
sao dia 'lay namako iny, toa mampiahiahy?

Soa aloha fa tsy izy e! Fa raha tsy izany angamba,
nisy nify tsy ampy, hahamenatra azy hitsiky.
Fa mba iza ihany e! 'Lay olona nahajamba,
toa mahagaga ihany, fa hamoronanao ny tsisy?

Asa izy angaha no tiana, dia 'zay tokoa no mety,
nefa koa tsarovy, hoe tiako foana ianao!
Tsy maninona e! Anio aho no resy,
fa ny ampitso, mbola hotsarovanao!

Dia izay tokoa ve, ny fetran'ny antsika,
niova lapa ianao, fa nahita tsara vao?
Nefa anie ry tiako e! Ny vao tsy mety ritra,
hinoako koa fa any, misy tsara mihoatra anao!
RRAG
17 Septambra 2017
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023