DIA NENTINAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanonofy kely aloha isika e! Sa ianao tsy mazoto?
DIA NENTINAO...!
Moa ve izaho ry lasa, no tsy nahay nitana anao,
ka dia navelako handao, ireo tsara nentinao?
I Fahazazana volamena, nandao ahy toa tsy niera.
Ry fahazazana ilay tsy foiko, eo re mba miverena!

Fa mangina irery aho, manimanina ireo lalao,
hangotingoty, hantahanta, isan'ny natolotrao.
Raha mba azonao atao, ny mamerina azy ireny,
dia aleo aho ry lasa, mba hitamberina eny ho eny!

Dia nentinao mantsy, irony tsikiko fahiny,
ekeko aloha e! Tsy hoe ratsy ny ankehitriny.
Saingy hafa ihany hoy aho, ianao ry fahazazana.
Indrisy anefa nofy sisa, satria ianao toa tsy tamana!

Dia nentinao nandeha, irony tsiaron'ny Noely.
Aleoko ihany re raha mety, hiverina ho zazakely.
Mba hanonofy kilalao, izay ho azoko atsy ho atsy.
Saingy indrisy e! Tsy ho tena izy, fa dia ho nofy ratsy!
RRAG
08 Desambra 2017
--------
Rohy:
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226