DIA TSAROVY IZAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA TSAROVY IZAO…
Raha zaza nilalao,
tsy nanam-pahadisoana,
no nomelohinao,
dia tsarovy izao:

“Fa ny lanitra ao ambony, misy an’Andriamanitra,
no nozoninao, hianjera eto an-tany.
Satrinao mantsy, ny fon’ireo mahantra,
dia isan’andro hijaly, fonosin’ny tomany!”

Raha zaza menavava,
tsy nahalala akory,
fa ny tabataba,
dia nanaitra tory,
no ‘ndeha sazianao,
dia tsarovy izao:

“Fa nanameloka ianao, an’ilay Nahary,
nanao ny vatanao, ho jary toy izao.
Saingy ny tsy fantatrao, dia mety tsy hanjary,
toy ny lasanao, izay ho fiainanao!”

Raha tanora tia,
nitsirim-pitiavana,
naniry hiara-dia,
nikaro-piadanana,
no nosakananao,
dia tsarovy izao:

“Fa ny fitiavanao, dia hofoanan’itsy lanitra,
k’izay mombanao, dia hotsinjarainy.
Ary ny hanananao, omeny ireo mahantra,
satria ianao, fakofako tsy ilainy!”
RRAG
01 Janoary 2013
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207