DINA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINA… (SAFIDY: 2012)
Ho anao ry sombin’ny aiko,
ho anao no handraketako,
ho anao ‘zay nolalaiko,
no indro handrafetako,
‘ty dina feno toky,
atao tahirim-boky.

Ho anao ‘zay manantena,
valin-kafatra amiko,
miandrandra fandresena,
anivon’ny tomaniko,
mino ny ho tafita,
an-dalana tsy vita!
Ho anao no nivavahako,
tamim-po mangina,
sy nanononam-bavako,
‘reo toky faniriana!

Ho anao ‘lay niandry foana,
ny fiafaran’ny sedrako,
nanana fotoana,
namahana irony gejako,
ho anao injay no hanaovako,
ity vetsovetsom-poko,
ka eto no anoritako
ny fototra sy toko!

Raha sitrakao ataoko dina,
dia ento atao sonia.
Ho vilarano an-kiran’
ny mandrakizay doria.
Hamafako hatrany
ny ranomasonao.
Ka ho foana ny tomany
ny alahelo handao!
RRAG
26 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
507 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03