DON-TANDROKA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DON-TANDROKA…!
Indreo miaramila am-pitaovam-piadiana,
milahadaha-mahitsy dia misakan-dalana!
Tsy mba mahatsapa akory ny ivom-pijaliana,
sedrain’irony tapaka, havana sy namana!

Injay fa nahazo baiko, hitifitra sy hamono,
mamahamaham- basy fa maika ery ny handringana!
Ireto an-tanam-polo mihevitr’izany, fa mbola vono lolo,
sinaingy tsy mandinika, fa anio no famaranana.

Don-tandroka no atao, kibay no eny an-tanana,
hitolom-panafahana, no natao ho tanjona!
Kanefa dia indrisy, rà no latsadatsaka,
mandriaka sy miloko, hatramin’ny eny an-tatatra!

Novonoina tsy nisy antony, ny vahoaka mba nitaky,
nitady fahafahana, tsy mba nilanja basy!
Don-tandroka ihany anefa, no nataon’ireo,
sinaingy faty nivalampatra, no hany hita teo!
RRAG
28 Janoary 2020
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201