DORIA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ny ohabolan-drazantsika hoe: “Anao aho ka mora, fa raha an’olona aho dia sarotra”.

DORIA…!
Aiza ho aiza moa izany, ry tiako 'reo teny,
naloakan'ny vavan'ny fo 'zay tena tia?
Tsaroako hatrany, 'rony masonao nijery,
toa avy hatrany dia nizara, namafy ny fitia!

Mangidy tokoa mantsy, 'zany saraka aminao,
mitroatra ny tadidy, mifoha ny efa mandry,
toa foana ho azy teo, irony vina izay natao,
ka veloma mandrakizay, fa tsy mampamangy.

Noraofin-drivotra nandalo, nindaosin’ny tadio,
nentin-tsetrasetra, ny fitiavana namony,
tsy namako, tena tsy namako, intsony ianao anio,
ka rariny dia rariny, ny foko raha tsy hitony.

Aiza ilay doria, ilay hoe mandrakizay ry tiana?
Aiza ilay fitiavana, nifamatorantsikaroa?
Aiza irony fo, izay nitamba-binavina?
Fitiavana akory e! No toa izay dia efa lo?

Doria! Toa fatorana voafetra, ety anivom-pitiavana,
doria! Mbola isan-tsetrasetra, nandrava ny nofy,
tenikely manan-danja, saingy mainka nampisaraka,
doria! Lefona nandràtra fo, dia 'lay fo varia-nirotsy.

Nirotsirotsy irony dingana, niarahana niampita,
ilay doria kay toa fingana, nanasaraka antsika,
nampihombo ny efa ràtra, teo alohan’ny fitia,
aiza ho aiza amin’izao, ny fetranao ry doria?
RRAG
01 Jona 2018
--------
Rohy:
712 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.097