EEH! ANDRIAMANITRA O! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Indrisy fa resin'ny harerahana indray ny tena ka tsy nihafana akory ny tsy fahasalamana dia nipoly niverina namandrika toerana. Mila vavaka avy aminareo namana sy sakaiza atao ampinga hanampiana ny fitaovam-piadiana an-tanana ahafahana enti-miady... Mankasitraka!"

EEH! ANDRIAMANITRA O!
Indro fa nazeran'ny herim-pahosana,
'ty tanjaka noheverina tsy ho lanin-dazon'ady.
Zary zava-poana sy mora nofafana,
'lay aina be niria natao fatoran-tady.

Mipoly etoana indray, am-pandrian'ny osa,
mikaroka hery vao, hoenti-miatrik'ady.
Tsy nisy nanantena ho zary aim- bontsa,
no entina misedra 'ty andro Alahady...

Andriamanitra o!
Trotraka sahady fa eo tohano kely,
mila ny herinao, entina mitolona...
Na dia 'ty vava aza toa tsy mahateny,
fa dia ny eritreritra no indrao mimonomonona!

Ka aza tsiny indrindra, raha toa hitalaho,
hangata-pahavononana tsy hilavoan-defona,
ary dia miandrandra ny tosi-tananao,
na dia tsy miendrika aza, satria olombelona!
RRAG
06 Desambra 2020
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202