EFA LASA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA LASA…
Anio misento sisa no azoko atao,
fa tsy afa-miantso anao.
Efa lasa mantsy, lasana nandao,
namonjy ilay tontolo, tontolo vaovao.

Herintaona anio, ilay daty nisarahana,
‘zay nandehananao, namonjy ilay sampanana,
tsy maintsy holalovanao, ka nampisaona ny foko.
Saingy indrisy mantsy, fa lasa ianao ry ilay tsy foiko.

Efa lasa, tsy ho hitako intsony.
Efa lasa, ka tsy hisy afaka hampitony.
‘Ty ràtrako mihiboka, an’efitrin’ny fo misento.
‘Ty fery manadrodroka, ny fitepon’ny foko.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02