EFA TENA FANTATRAO (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin-kafatra kely ho an'i DOX amin'ilay antsa tononkalony nampitondrainy ny lohateny hoe: “ILAY TSY FANTATRA HO FANTATRA”. Nosoratany ny taona 1942.

EFA TENA FANTATRAO
Eny, efa tena fantatrao,
ny fiantso ahy izao.
Anaran-tsotra tsy mba miavaka,
hafa ihany i Kala Ravaka.

Fa ny ahy dia Vero tsy hanampiana,
tsisy fanampiny hosafidiana.
Tsy anaran-draozy na koa lisy,
ratsy anarana aho indrisy!

Lazaina hatrany fa milefitra,
nefa aho tsy dia mandefitra.
Ka zary anarana mandràtra,
mamorom-pery toa mahazatra.

Folaka ihany aho kinanjo,
leon'ny setra isan'andro.
Ka ilay ho antsoinao hoe Tiana,
dia hinoako, fa mbola hitondra fijaliana!
RRAG
29 Martsa 2017
--------
Rohy:
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205