EH! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EH!
Indrisy mantsy, noheveriko handalo,
‘reo raho-mainty, ka hiserana!
Andro vitsivitsy izay, toa tsy nanam-pahataperana,
saronan-javona matevina, ity foko mitalaho.

Tsy noheveriko handràtra, ka hamingana ahy akory.
Ela loatra anefa izay, ity izy vao mba tony,
fa leo ny masoko mijery, sy mandinika izany.
Osa sy ory koa ny foko, noho ny hetraketrakin’ny tany.

Diso angamba ny eritreritro, raha milaza anao tsy tia.
Iza moa no hinoako, sy ‘ty foko tena tia?
Niezaka aho ny nanadino, nampitony ny eritreritro.
Iza anefa no hantenaiko, raha maizina ny efitro?

Firy no mba sahy hamboraka, ny fitia ao am-pony?
Iza no mba sahy hangoraka, ny olona tsy tiany akory?
Toa manofy antoandro aho, sa mandalo ny fisainako?
Onja toy ny onja rehetra, no natao ho sedram-piainako.

Sisa sa anjara ihany, ianao r’ilay niriko?
Izy sa sarisary, ny fitiavanao ry tiako?
Eh…! Very hevitra aho, ka aleoko mangina.
Satria ianao ‘lay nantenaiko, tsy nijery fa variana.
RRAG
Febroary 2010
--------
Rohy:
227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207