EH! RAHA MBA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EH! RAHA MBA…
Raha mba tsapanao,
raha mba renao,
ny fidoboky ny foko,
mihiboka fitiavana,
izay tokan-doko,
maniry anao ho namana!

Dia angamba ianao tsy hifofo,
na hikiry akory hamono,
‘lay fitia mitoetra,
‘zay hany tsy niofo,
tanatin’ny fonao!

Eh! Raha mba fantatrao,
ny hatevin’ny helohelo,
foiny ianao nandao,
tsy tamin’alahelo,
ny toby,
fitobin’ny foko,
dia mety ho efa hontsa!
Hontsa angamba ianao,
ka hitalaho mafy,
sy hilela-paladia,
hilaza an-dranomaso,
fa hoe mbola tia,
saingy ianao voafitaka,
voafitaky ny ankaso!

Eh! Modianao tsy henoina akory,
ity vavako mitory,
mamoaka ny felam-poko,
‘zay fitia hany miava-doko,
fa tsy mba noraisinao!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023