ELA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELA…
Volana baliaka, mampatsiahy ny omaly!
Namafa ranomaso, noraketin’ny ela,
‘zay niarahantsika, tan-kafaliana sy tomany!
Io volana io ihany, no hany mba tavela.

Volana baliaka, tambesatry ny lasa!
Ranomasom-panembonana, narahana tomany,
ilay velomantsika, tsy tahaka ny nahazatra!
Ranomaso lafovidy, no nanarona izany.

Volana baliaka, fijerinao ry Antsa!
Tsy namela ny aiko, ho reraka torovana.
Fijerin’ny mijaly, fanilon’ny mahantra.
Io volana io sisa, no endri-pahatsiarovana

Ela fitoetra, tsy ravan’ny ankaso!
Io volana io, no hany hiresahako.
Ela fitinaratra, mahafafa ranomaso,
‘lay hany namanao, tiako koa ho namako!

Tsy mbola mety foana, anatin’ny saiko,
‘reo tsikitsikin’ny ela, teny amin’ny endrikao.
Tsy levon’ny taona, na koa hadinon’ny aiko.
‘Zay mbola toa tavela, teny amin’ny vola-namanao!

Rakitry ny ela, tsy main’ny afo izay nandoro!
Tsy lefin-drivotra mahery, na sindan’ny tomany!
Tomefy fanantenana, tsy maty voavono!
Fahatsiarovako an’i Antsa, ‘lay zandriko tan-tany!
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205