ELAELA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELAELA...!
Misento malahelo, manina anareo,
ity tanànantsika, ivereno mba jereo.
Fa mangina loatra, toy ny misaona,
tongava re aty, fa ela no tsy nihaona!

Elaela marina, no tsy nifankahita,
mbola ho ela ve, ny fianarana vao ho vita?
Fa tena manina ny aty, malahelo ireo koràna!
Mitomany sy misento koa, fa mahatsiaro ity tanàna!
RRAG
03 Janoary 2017
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0439