ENY IZAO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY IZAO…!
Ataoko sarisary anaty fononteny,
ilay mitia anao tsy misy elanelana,
atao indray mitopy sy indray mijinery,
ny hanonofy anao ka hianoka ny felana.

Dia alefa ny eritreritra hita mba ho any,
hitondratondra hafatra hambaboana anao,
mba hanafoana koa ny elanelan-tany,
izay sakana tsy ahafahako, ny ho eo akaikinao.

Eny izao tsaroako misy tsiky maivana,
atorakao ny ahy, mamboraka fitia,
injany ny aty fo fa, re toa maivamaivana,
raha sendra mba mahatsiaro, f’efa tafara-dia.

Ataoko isam-betso am-paraingo sosona,
honenan’ny fitiavako, raha ny fitiavanao,
ka ho zary ainga iray, hanaranara-pofona,
hianoka ny hanitra, sy ‘zay tsara eny aminao.

Eny izao ny jery, mita sy miampita,
miantoraka mipaika, anaty ny fonao,
dia mba ny lasantsika, no isan’ny hoavintsika,
satria izaho tia, hinoako koa fa tia ianao.
RRAG
28 Septambra 2018
--------
Rohy:
1071 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301