EO! MITOMANIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EO! MITOMANIA...!
Zanako! Tsy akory ianao hoe dondrona
raha sendra tsy tafitan'ny ady iray monja.
Fa fotsiny ry aiko, angamba mbola tsy vonona,
hisedra sy hamaky fifotofoton'onja!

Mbola zaza saina ka tsy mahay biby,
ankoatra irony sahona mihoga vao maraina!
Sady tsy nahatsiaro, tena tsy nahatadidy,
'lay teo an-tratran-dReny, no izy niala aina!

Olo-mando ihany ka tsy handatsaka tomany,
raha sendra hoe voadona?
Indrisy! Mbola mandia an-tany,
ka rariny, raha setraim-boina!

Eo! Mitsikia! Mifalia!
Raha manana fotoana!
Etsy mitonia! Na koa mitomania!
Handefahan-tsaona!

Zanako! Ny fiainan-kerisetra
ka aza kivy akory...
Fa na mafy aza sedra,
tsy akory, atao hanorisory,
dia avela hisetrasetra!
Fa tsarovy hoe: "Ianao no fetra".
Eo 'loha mitsikia!
Tsy maninona! Eo mitomania!
RRAG
04 Septambra 2021
--------
Rohy:
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02