EPISTILY FARANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EPISTILY FARANY…!
Mbola voatahiriny, ny tsiaron’iny lasa,
izay rafi-tsora-tanana, nandrafetan-kasa,
ilay taratasy farany, natolotrao ho azy,
niorenan’ireo vinany, nanamafisam-boady.

Mbola any aminy, ny aingan-tsoratrao,
narafitrao foiny ianao nandeha nandao,
niazo lalan-kafa, nanova indray ny dia,
ka nanafoana teo, ny lanjan’ny sonia!

Mbola an’eritreriny, irony lasa vita,
nisy tamin’ireny, no mbola lalan-tsy hita,
saingy nolalovany, satria teo ianao,
kinanjo ankehitriny, lasa ianao nandao!

Episitily farany, mirakitra veloma,
no hany nanohanana, ny fony tsy hidona,
nefa dia vao mainka, lefona nandràtra,
nandrakitra tan-tsainy, ny tomboky ny lasa!
RRAG
10 Septambra 2018
--------
Rohy:
756 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213