ETO ANATREHAN’…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETO ANATREHAN’…!
Eto anatrehan’ny lanitra,
na ory ianao na manana,
eny na mahantra.
No andraisako ity tanana,
hampiray antsika,
anaty tokantrano,
ilavitra hatsiaka,
ilavitra angano!

Eto anatrehan’ny tany,
no anaovako ity voady,
hamoron-tokantrano mamy,
isika roa mivady.
Ka ny vovoka no fototra,
dia izy no handrava.
Ny lasa tsara tototra,
ny hoavy mbola ho lava.

Eto anatrehan’ity peratra,
no hanehoako fitiavana.
Ny fitiavako hary elatra,
no fanafody nampihavana.
Nandravona ny antsika,
sy ny misitery nentiny.
Ity ‘lay taratra nampita,
nanadio ny atim-periny.

Eto anatrehan’Andriamanitra,
‘lay nahary sy nikolo.
Eto anoloan’ity lanitra,
no hivoadiako manontolo.
Ka hanolorako ny dina,
hifamatorantsika.
Satria ianao ‘lay tiana,
famato-dahatsika.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0959