ETO SY ATO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETO SY ATO…!
Miantsampy an-kianjan’ny nofy, ka mamihina anao.
Toy ny tsiaro mitampody, ao an’eritreritro ao,
no mitamberina eo imasoko, ka manembona ny saiko.
Asa! Malahelo anao angamba a? Toa tsy haiko!

Toy ny sioka iray miantso, olon-tiana ilavidavitra,
no miantoraka misintona, ny tena kanto mahafinaritra,
ka zary lasa toa tsy tanako, ny fidobok’ity foko.
Saingy tsy afaka ny hanohitra, raha tsy hoe ny mitoloko.

Misy tia kay any ho any, fa tsy hitanao ry maso,
fa ity nandrevo anao, dia olona mpiankaso.
Saingy izy dia tsy hita, na dia teo akaiky ihany.
Ny tena hahita anao, dia mbola nofy hatrany!
RRAG
19 Jona 2018
--------
Rohy:
452 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208