FA DIA NAHOANA KOSA? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA DIA NAHOANA KOSA?
Fa dia nahoana kosa, ‘ty lahatra sy anjara,
no tsy mba namantsika, nandrindra ny tantara?
Fa dia nahoana isika, no tinerena tsy hiara-dia,
ka tsy afaka ny hita, hampiray ny fitia?

Fa dia nahoana kosa, isika no tsy avela hiray,
tsy afaka ny hivoady, hifankatia mandrakizay?
Ny hafa anefa anie e! Notinendreny hifankatia,
fa ny ahy sy ny anao mihitsy, no nataony sanatria!

Fa dia nahoana kosa, ny lalantsika no misaraka,
ka izaho sy ianao, tsy atao ny ho tafaraka?
Fa dia inona ary, hono izato fahadisoana,
nahatonga ny fitiavantsika, nokendrena hofofoina?
RRAG
Martsa 2019
--------
Rohy:
454 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209