FA MISY TSY MISY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA MISY TSY MISY…!
Fa misy fitia, mamafa ny fery.
Misy fitia, tsy novolena an-tery.
Misy fitia, tsy lefin’ny taona.
Misy fitia, mangina eny foana!

Misy any ho any, maniry hanan-janaka.
Ny anao dia nafoy, nariana toy ny fako.
Nefa ny sasany, tsy mba mahazo taranaka.
Tsy ianao ve, no ‘lay tena mpiankaso?

Tsy misy angamba, nefa mety hisy ihany,
Reny hahatototra, ny zanany an-tany,
haneso ny lasany, handatsa ny tenany.
Eny, fa na dia, efa zary nanenenany!

Fa misy tokoa, fitia mifamatotra,
Reny sy zanaka, tsy hita hofaritana.
Fitia tena izy, fitia tena matotra,
fa tsy ilavitr’izay, ny fitia an-kizitina!

Tsy misy fitia, takalo harena,
fa toa mety hisy! Zary mahonena.
Vola no tambiny, ny fitia sarisary!
Izany koa ve, dia fitia ho hanjary?

Fa misy tsy misy, ny fiainana an-tany.
Ao ny anjara, voasoritra omaly.
Mety hisy hitamberina, dia hoe omaly tsy miova.
Tefim-piainana, mety ho endrika rova!

Asa a! Fitia ve no resaka, dia ahoana no tsy hisy?
Ilay tenim-panenenana, manao hoe: “Indrisy,
raha mba izaho lahy”, dia nahoana no tsy hisy?
Fo iray manenina, ka mba te hitampify!
RRAG
Ny taona 2013
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023