FAHALEOVANTENA AHOANA KOA EH? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHALEOVANTENA AHOANA KOA EH?
Raha dia an-tongotra efa, ny taona maromaro
nahafaha-nosintsika. Dia angamba efa valaka!
Alaivo sary an-tsaina moa, ‘reo sedra nifangaro,
nahatonga ireo kanosa, tia tena hiatakataka.
Fa ao ny valin-teny, tiana ho hatongavana.
Tao ny sahy niroso, tao ny nialangalana!

Raha tetezan-kazo, ny lalana nombana
vao iny isika afaka. Toa ‘ngamba hazo boboka!
Arahim-peom-basy, baomba, miary fandrobana,
dia teo ‘reo niazakazaka, no tsapa sy hita drodroka.
Mantsy ireo nikiry, niezaka ho tafita,
fa dia ianao tavela, ianao irery sisa!

Hany ianao irery, ry Gasikara mamiko,
no sisa tsy tafita, tanivon-tany maro
nahazo fahafahana!
Moa hanova inona, raha ny tomaniko,
nilatsaka isan’andro, rehefa injay mahatsiaro,
‘reo vahoakanao, takonam-pahajambana?

Fahaleovantena ahoana koa moa,
izany miankin-doha, amin’ny firene-nanjanaka?
Aiza ho aiza eny, no hisy tombon-tsoa,
ho an’ny firenem-boazanaka?

Fahaleovantena sarisary, ka gadrain’ny fahalemena!
Raha mbola misy any ho any, tsy mbola tia ny firenena,
Dia mbola ilavi-pahafahana, alavirim-pandresena,
satria tsy hisy velively, izany hoe fahaleovantena!
Fa, fahaleovantena ahoana koa e?
Toa nofinofy ao an-doha!
RRAG
19 Jona 2021
--------
Rohy:
444 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0736