FAHASAMBARANA INDRAY MIPIMASO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHASAMBARANA INDRAY MIPIMASO!
Toy ny nofy mandalo ‘ty fiainan’ny tany.
Nofy tsy haharitra toy irony omaly!
Nefa aleo hararaotina fa anatin’ny tsatso,
no misy hasambarana indray mipimaso.

Minitra tsy hampoizina ho mora hidify.
Ora tsy vitsy toa saingy manify!
Saingy aleo hararaotina na dia matsatso,
fa ao ny hasambarana indray mipimaso!

Tena fahasambarana indray mipimaso,
toy ny taratasy nandretana afo!
Mora levonin’ny fotoana mandalo.
Saingy tahiry, tsiaron’ny kalo!
RRAG
Zoma 06 Septambra 2013
--------
Rohy:
305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171