FAINGANA IANAO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAINGANA IANAO...
Tsinapako hirifiry, mandrotika ny foko,
no mifamahofaho, anatin'ity tenako.
Tinazako mitroatra, nefa tsy ampy hery,
'ty foko efa kivy, sy leo ny mamery.

Faingàna ianao ry taona, aza miandry ela,
satriko ho voadingana, ny lasa izay tavela.
Tsy nentin-taona, maro nifandimby,
indrindra moa fa, ireo 'zay tena mangidy!

Dikao indray aloha, izato taona izato,
taonan-tsedra mafy, nitondra ny natsatso,
nitondra ràtra maro, tsy sitran'ny herim-po.
Tongava taona vao, hanolotra 'zay soa!

Fa raha mba mety anefa, dia aleo hitoetra,
irony mamy indrindra, eny! Mety hanam-petra.
Satria ireny manko, no nampitonitony,
niezaka nitsabo, ny fo tsy mety tony!

Faingàna ianao ry taona, miorena hanovo soa,
ny ratsy lasa ireny, tsy haningotra ny fo,
fa hamatotra ny hoavy, ho dingana tratrarina.
Nahoana moa ry taona, nahoana no tsy hiarina?
RRAG
28 Desambra 2017
--------
Rohy:
365 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887