FAKA NIHARY RANTSANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro amboaran-tononkalo iray valin-kafatra ho an’ilay tononkalo nosoratako ny 11 Jona 2018 izay nitondra ny lohateny hoe: “FOTOTRA FAHAROA…!”

FAKA NIHARY RANTSANA…!
Tazana sy hita ‘lay faka nipoirana,
‘zay nihary aina, ho sombiny sy ho zanany.
Nitondra hazavana, sy taratra mangirana,
sady koa nizara, ny tena hafanany.

I Dada ilay nikiry sy niezaka nampita,
nitantana ‘ty votsa, vao mba hiatrik’ady.
Nibaby sy nitrotro, nanao ‘zay mety ho vita,
ianao ‘lay alim-pody, niandrasany am-bavahady!

Andry niankinana, tosika amin’ny fiainana!
Isan’ny vahaolana, tsy hananam-piry!
Mpamafa ny tomany, an-tsedram-panaintainana!
Nanao ‘zay rehetra nety, ka nihafy sy nikiry!

Imbetika i Dada, tsy tazana tan-trano!
Nikaroka ny anio, ho an’ny sombin’ny ainy!
Izy ihany koa, mba nisedra angano!
Satria teny ho eny, mba nisy zava-tsy hainy!

Nokirizany natao, notereny mba ho vita,
niaretany ny mafy, nihafiany ny hatsiaka!
Ny torimaso aza, zara raha nahita,
mba hahasoa anao, sy hahasoa antsika!

Faka nihary rantsana, i Dada ka tsy hadino,
namana! Sakaiza! Fizara alahelo!
Famenomeno banga ve? Nefa tsy mampino!
Satria tokoa mantsy, mpihazon-tsiambaratelo.

Hafa tokoa i Dada e! Tokana aman-tany,
nibea sy nitaiza tamim-pitiavana!
Ilay tsy mbola tazana, nandatsaka tomany,
fa vao manganohano! Mivoaka varavarana!
RRAG
20 Jona 2020
--------
Rohy:
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174