FAKOFAKON'OLONA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAKOFAKON'OLONA...!
Fakofakon'olona lesy fa tsy takatr'ialahy ny fisainany a!
Enjehina mbola mialoha, finganina mainka mitraka!
Ankahalaina mafy nefa, tsy tsapan'ialahy 'zay niainany a!
Darohana mainka mifoha, tsy voasakan'ny sedra mpandràtra!

Ny omaly ny azy efa an'ny lasa, fitaratra sisa no asany!
Ny anio no rakofan-kinasa, paika sy teti-pivoarany!
Ny ampitso no volavolaina, ka izany no tena isasarany!
Ny hoavy rehetra antenaina, fa dinga(na) sy tohatra iakarany!

Fakofakon'olona akia a! Fa manana fahavononana!
Tsy mihambo amin'ny tsy an'ny tena, vonon-kihary isasarana!
Tsy ny doka aloakan'ny vavany, no sakafon'ny fahavelomana!
Fa izay nokiria-nafafy, nojijaina ho eny an-dambanana!

Manana fo mora tohina, fa ny saina mahay mampitony!
Miezaka foana ny hiroso, ary mbola sahy mijoro!
Ka lavitr'izay hatezerana, mialoka ireo lonilony!
Ary tsy mba manahy velively, ny faharava-mampikoro!
Fa manana fanantenana,
hahita am-pahajambana!

Fakofakon'olona moa fa, tsy lavon'izay eson-teny.
Na ringan'izay latsalatsa, fa nitraka sy nijoro teny!
Naneho ny maha fakofako, 'lay nailika fa hoe tsy ilaina!
Kanefa ny tositosika, no nanefy ity toe-tsaina!
Fa manana izay antenaina,
mpampitony ny fo 'mbamin-tsaina!
RRAG
11 Jona 2021
(Avaradoha, Antananarivo, tamin'ny 11ora sy 17minitra alina)
--------
Rohy:
205 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744