FANEVA... (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANEVA...Zanako! Moa ve izaho, mba afaka ny hanafatra,
an-tsoratra ho anao?
Fa tsy hisy velively, izany tonga lafatra,
raha mbola mitatao,
lanitra ambony
na koa hosanatriavina, mitafy lonilony,
an-tany fandalovana,
tomefim-pahalovana!
Tsy ho tsiky lava, ny andro izay mivadika!
Na koa ho alahelo!
Eo ny fifaliana, no mety hivadibadika
sento mihelohelo!
Dia hivalaketraka, hitokona tsy handroso,
an-dalam-paharesena!
Tsy hikiry mihitsy, hanandrana hibotro,
aingam-pandresena!
Anaka! Mametraha faneva, hikatrahan-tanjona
tian-kotratrarina!
Fadio! Sanatriavo mihitsy, ilay mianjonanjona,
mihevi-mana-marina!
Fa diso foana ianao, raha mbola fitsarana
imaso-mpankahala!
Satriny dia satriny, ho zary fahabangana,
'lay fiainanao niova, tsy manana sahala!
Miezaha mandinika, misento kely fotsiny!
Makamaka aina, sy bahana andinganana!
Ezaho arafitra, atambatambatra, irony potipotiny,
ho faneva, tokana hifatrarana.
RRAG
11 Mey 2021
--------
Rohy: