FANGARO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANGARO…
Fangaro mampafilotra ny laoka an-dakozia
ny forongona legioma saosiam-boatabia.
Famatotra miazona 'zay fo miara-dia
irony toky vitan'ireo mpifankatia!

Lamako kely aloha ho entina misedra
'zay lala-mbola ho lava sy ady tena 'ngeza.
Asio tsiky ihany na mafy izay tsy laitra
'ty fiainan-kerisetra izay efa tsy mahataitra.

Kanto ery ny masaka rehefa asian-tongolo,
ny fahandro azy no indrao misolosolo.
Fa meva ny fitia rehefa tsara kolo,
iray no hany tiana ka tsisy mahasolo!

Fameno mampatsiro ny hanina voatokony,
ny dipoavatra voafantina sy sira antonontonony.
Tefy tsy voaravan'ny honahonam-piainana,
ireo sampanana voadingana tsy nisy fitarainana.
RRAG
25 Jolay 2020
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205