You are here: home > Vetso

FANIRIANA… - RRAG

Azo vakiana?

FANIRIANA…
Izato bikanao, mitondra faniriana,
ho an’ny foko adala, maniry ny ho tiana,
ka antsoinao malala, satria tiako ianao!

Itony hantanao, feno angolan-teny,
no injay nanaitra ahy, hikiry mba hijery,
na dia indray mitopy, ny endri-tavanao!

Angamba hadalako, no tsy niloa-peo,
namboraka fitia, f’ilaoza-nitoreo,
nijery bika-maso, izato hakantonao!

Faniriana ny ahy, fa saingy tsy tafita,
fanantenan’ny jamba, ny hitazana sy hahita,
ka hamihina anao, sy handrotsirotsy anao!
RRAG
12 Febroary 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha