You are here: home > Vetso

FANJA MONJA IRAY... - RRAG

Azo vakiana?

FANJA MONJA IRAY...
Sento sendra lasan'itsy ranomaso,
no singa nitsirian'ny ivon'ny ankaso.
Fery efa nalonan'ny ratra sy ny etsetrany,
no zoga nampavesatra ny rango-tsetrasetrany.

Fanja monja iray, no mba nitondra tsiky,
nahafahanao nitaratra ny tiana nitampify,
teny an-tratranao ka nijanona nisento.
Injay fa fahatsiarovana sisa no hita teto!
RRAG
28 Aogositra 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha