FANTATRO IANAO FA TSY VONONA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRO IANAO FA TSY VONONA…
Modiako tsy re, izay antsoantsonao!
Modiako tsy valina, izay napetrakao!
Satria, fantatro ianao, fa mbola tsy vonona.
Eny, fantatro ianao, fa tsy hanaiky ny hitolona,
ny fahaleovan-tena, fihinin’ny hafa.
Ny hevitro aza, nolazainao ho kasa,
izay tsy ho tanteraka, na hanàla ny aiko,
saingy ity no tsarovy, fa vonona ny saiko,
fa tsy toy ny anao.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
307 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225