FARA-TENY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARA-TENY...!
Maro no nisakana, namingana ny tena.
Tsy vitsy no nibahana, hanosika hianjera.
Hamotika ny fototra, hanongotra ny faka.
Toy ny olo-romotra, te hahazo laka!
Te hanjaka irery, te handrava ny efa!
Tsy ankiteniteny, fa avy dia hisetra!

Teny farany anefa, teny tokana no ambarako.
Fa tsy misy afaka hametra, izay fiainana anjarako.
Tsy misy afaka hamaritra, izay lalana holalovako.
Tsy misy afaka ny hiaritra, ny fery am-piainam-pandalovako.
Ka ny hola-periko tsy tony, mety tsy ho sitra-mandramaty!
Fa fara-teny dia tsisy intsony! Ny fanantenako tsy ho faty!
RRAG
26 Martsa 2017
--------
Rohy:
230 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218