FARA VELOMA… (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARA VELOMA…
Eto amoron-tevan’aina, famatotr’ain’ny tany, aho no miandry ora.
Tsy afaka mitafa intsony, tsy mahateny firy, fa misento moramora.
Manao veloma farany, anaty fijery manganohano, tsy mahalatsa-dranomaso.
Veloma ianareo fa, izao no tiany, izao no tian’ny ankaso.

Fara veloma ny ahy, fara kopakopa-tanana, fa tsy afa-mifandray.
Fara veloma ny ahy, tsy hisy intsony, ilay mandrapihaona indray.
Fa ny aiko hiverin-tany, hody vovoka, toy ny foto-nipoirako.
Veloma ianareo, fa any ambany rangolahy, no fasana hisitrihako.

Ka ny fara velomako, tsy toy ‘reo lasa, sy izay rehetra efa vita.
Satria tokoa mantsy, hifandao fa, tsy hihaona intsony isika.
Tsy hifankahita, fa hifanalavitra, toy ny hatrizay.
Dia veloma, tsy asiako mandrapihaona, fa veloma mandrakizay.
RRAG
02 Nôvambra 2004
--------
Rohy:
604 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208