FARAN-DRANOMASO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARAN-DRANOMASO...
Ritsoka namoha, ny lasa efa voavono,
tsiaro iray namongatra, 'reo ràtra tsara fono,
no zary rojo vy, namatotra ny tena.
Isan'ireo mavesatra, noentina ankaterena!

Faran-dranomaso, nalatsa-pijaliana,
takonan-kaizim-parany, nanakom-pifaliana,
mantsy toa naharitra, sy zary toa tamana.
K'indrisy tojo hatsiaka, 'zay tena mamanala!

Veloma fe veloma, tineren'ny tranga,
fialonam-pankahalana, efa tsy mahagaga,
no mari-pahatsiarovan'ny kaikitry ny ankaso.
Teo no natete, ny faran-dranomaso...
RRAG
15 Janoary 2019
--------
Rohy:
420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021