FARANO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARANO…
Raha sedra monja iray, tsy takatra takarina,
no nandavo aina, tan-dingana tsy zaka.
Ka hoe tsy te hitraka, hiezaka ny hiarina,
fa foana mbola mihevitra, ho voafetsy sy voambaka!
Dia mitombena aloha, hampitonio ny saina,
vonony ao anaty, ny faran’ny hery an’aina!
Handatsa-dranomaso, anoloan’ny adim-piainana!
Dia eo farano hatreo, izay hikam-pitarainana!
RRAG
17 Septambra 2020
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372