FATORANA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FATORANA...!
Aty an’alitara no maminavina dingana,
dingana efa vita, sarotra fafana,
fo roa te hitambatra, manahy ny hisingana,
mifamatotra fitiavana, ka sarotra ravana.

Toy izao ‘reo toky, tokin’ny fitiavana,
ianao ‘lay tiana, no raozy ao am-pony,
kanto tsara vony, tanora maitso mavana,
ka ny eo akaikinao, ny fony no mba tony.

Ny tsilonao toa safo, tsy mandràtra azy,
ravaka manavaka, ny endrikao sariaka,
ny fakanao no fakany, fatorana sy tady,
nambabo ny fitiavany, toy ‘lay tara-mibaliaka.

Tiany ianao, ainy nofon’ny ainy,
singa sy taho, mirantsana amin’ny vatany,
fitiavany sy fony, nofy iray an-tsainy,
fatorany miraikitra, satria ianao no anjarany!

Indro izy ety, ety an’alitara,
hanamafy toky, hamadika azy ho voady,
tia anao izy, eo henoy tsara,
fa manomboka anio, ianareo dia ho mpivady!

Izy anio hiteny: “Ny fony dia anao irery,
ho anao mandrakizay, k’ianareo dia tafaray,
hofatoran’ny fitiavana, ao an-kianjam-pahasambarana,
izay fatoran-tsy hivahy, hifamatoran’ny fanahy!”
RRAG
28 Aogositra 2017
--------
Rohy:
585 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299