FATORANA HO AHY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FATORANA HO AHY!
Anio aho handray ‘ty peratra,
hanolotra izany anoloan’ny alitara!
Hanofoka azy avy eo, amin’ny tananao.
Mpivady isika, isika ilay mpivady vao.

Hanaiky aho, tsy handà izay ambara.
Hianiana aho, porofoiko fa ianao no ilay anjara.
Dia hovoadiako, hovoadiako mandramaty.
F’izaho sy ianao, iray fo anaty!

Eto anatrehan’Andriamanitra, ilay mpiahy sy mpitarika.
No hanolorako ‘ty voady, ho vadinao mandrakizay!
Ka eo koa ny lanitra, sy ‘reo fanahy izay manatrika.
Vavolombelon’ny fitiavako, fatorana ho ahy rahatrizay.
RRAG
02 Aprily 2004
--------
Rohy:
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208